Mpangalatra tao amin’ny sekoly Manarintsoa Isotry voasambotry ny polisy, afakomaly. Niditra antsokosoko tao amin’ny birao io olon-dratsy io ka nobatainy ny “imprimante”. Tsikaritry ny olon-tsotra io fihetsik’ilay mpangalatra io ka niantso mpitandro filaminana avy hatrany izy.
Omby 27 tafaverin’ny zandarimaria amin’ny tompony taorian’ny fifandonana tamin’ny dahalo nandritra ny ora maro tao amin’ny Kizo Antapia, fokontany Mazamiempo, kaominina Miandrarivo, distrika Tsiroanomandidy, afakomaly. Nitsoaka ireo dahalo rehefa tsy naharesy tosika ny mpitandro filaminana.
Malagasy 13 niampy Saodianina roa saron’ ny zandarimaria miaro ny sisintany tao Ambanja, ny faran’ny herinandro teo. Nikasa hiondrana antsokosoko any Mayotte ireo olona tratra, niafina tamin’ny tranokely iray.




