Manoloana ny vaovao diso, izay miampy fanalam-baraka, havoaka sy miely anatin’ny tambajotran-tserasera facebook, nametraka fitoriana eny anivon’ny sampandraharaha misahana ny heloka ana habaka, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Tsiahivina, voatonontonona amin’ilay raharaha teny Ambohimalaza, ny anaran’ny minisitra MJS, Moustapha Marson Abdulah, ka tsy maintsy nandray fepetra manoloana io tsaho miely io ny eo anivon’ity rafi-panjakana mitantana ny Fanatanjahantena sy ny tanora eto Madagasikara ity. Natao ho fisorohana ny voka-dratsy mety hanohintohina ireo fanamby napetraka sy ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara izany.
Manentana ny rehetra ny MJS mba tsy handairan’ny fandotoana sy ny famotehana olona iniana atao tahaka ireny.
F.R




