Fihaonana an-tampony eto Madagasikara : Mikendry ny hampihena ny fahantrana ny Sadc

Hotanterahina eto Antananarivo, manomboka ny 3 aogositra hatramin’ny 18 aogositra, ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Mifototra amin’ny sehatra maromaro ny ho votoatin’izany fivoriana izany.

Eo ny fikendrena ny hampiroboroboana ny fitomboana ara-toekarena maharitra sy ara-drariny. Ny fampandrosoana eo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika. Tafiditra ao anatin’izany ny fampihenana ny fahantrana, ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ary ny fanohanana ireo sahirana eo amin’ny lafiny sosialy amin’ny alalan’ny fampiraisana ny isam-paritra.

Etsy andaniny, anisan’ny fototra iorenan’ny Vondrom-paritra ara-toekarena ity ny hampiroborobo ny sehatry ny varotra. Ny fanamafisana fiaraha-miasa maharitra ary ny fampiroboroboana ny filaminana sy ny fitantanana mangarahara.

Goavana ny andraikitry ny filoha Rajoelina Andry

Handray ny fitantanana ny Sadc ny filoha Rajoelina Andry amin’izao fihaonana an-tampony faha-45 izao. Goavana ny andraikitra hosahaniny amin’ny fitarihana izany. Eo ny famaritana ireo laharam-pahamehana ny lafiny politika eo anivon’ny Sadc. Ny fisoloan-tena ity vondrom-paritra ity amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manampy izany ny fandrindrana ny Troika amin’ireo toe-draharaha mafampana eo anivon’ny Sadc. Ny fametrahana filaminana sy fiarovana ary koa ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo fanapahan-kevitra iraisana.
Tsiahivina fa miisa 16 ireo firenena mpikambana eo anivon’ny Sadc. Ahitana an’i Angola, Botsoana, Kaomoro, RD Congo, Eswatini, Lesotho, Malawi, Maorisy, Mozambika, Namibia, Seychelles, Afrika Atsimo, Tanzania ary i Zimbaboe sy i Madagasikara.

Synèse R.

Partager sur: