Vokatry ny fanavaozana ny rafi-pampianarana eto Madagasikara efa lany teny anivon’ny Antenimiera roa tonta, tsy “programme scolaire” intsony ny anaran’ny fandaharam-pianarana eny anivon’ny sekoly fa niova ho “programme d’études” (PE) izay hanaovana andrana ho an’ny Cisco 18 amin’ny Cisco 120 manerana ny Nosy.
Tsy mbola nahazo fankatoavana avy amin’ny minisitera mpiahy fa hampiharina manomboka amin’ny taom-pianarana vaovao ho avy io ny PE. Amin’ izao fotoana izao, manentana ny sekoly tsy miankina ny lehiben’ny “zone d’administration pédagogique” (Zap) ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra hanaraka fiofanana mifandraika amin’ny PE. Ny mpampianatra amin’ny kilasy T1, T2 ary T3 no hiofana satria misy ny taranja vaovao, ny kanto sy ny asa, hampidirina ho isan’ny hianarana any an-dakilasy. Andoavam-bola isan’andro ny fiofanana izay maharitra hefarana ka ny mpampianatra ihany no manefa izany. “Tsy mbola nahazo toromarika avy amin’ny minisitera foibe momba ny fanofanana mpampianatra ny sekoly tsy miankina ka tsy tokony mbola hirosoana mihitsy aloha izay”, hoy ny mpitondra tenin’ny vovonana ivondronan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, Rakotomalala Célin, omaly.
Efa nampandre ny sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny tomponandraikitry ny Office national de l‘enseignement privé (Onep) momba ny zava-misy koa ny tenany ary miandry ny valiny.
Misy ampahany amin’ny sekoly tsy miankina ao anatin’ny boriborintany I no efa nandray anjara tamin’ny fiofanana, araka ny tatitra azon’ity tomponandraikitra ity.
Momba ny voka-panadinana ho an’ny sekoly tsy miankina. “Tsara ny taha raha ny roa farany teo. Tsy misy latsaky ny 95% ho an’ny taham-pahafahana CEPE ary 75% ho an’ny BEPC satria nifarimbona niezaka avokoa ny mpanabe sy ny ray aman-dreny ary ny mpianatra”, hoy ny voalazany.
Vonjy




