Fitantanana ara-niomerika : Entina hanatsarana ny asam-panjakana

Notanterahina teny Anta­ninarenina ny atrikasa fandalinana sy famolavolana ireo rijantenin-dalàna momba ny fitantanana ara-niomerika ny “équivalences administratives des titres et diplômes”.
Tanjona ny hanatsarana sy hanamafisana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana sy fahazoana izany. Iara­han’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampananan’asa sy ny Sam­pana misahana ny fitantanana ny niomerika (UGD), izay tetikasan’ny filoham-pirenena, manatanteraka.
Efa misy ny dingana lehibe vita, toy ny fampandehanana ny tranokala fizarana vaovao sy ny rafitra fakana fotoana amin’ny internet. Eo koa ny tolotra fanafainganana ny fahazoana antontan-taratasy amin’ny alalan’ny fitantanana mahomby ny mpiasam-panjakana.
Andrasana amin’izao fa­molavolana ny rijan-tenin-dalàna izao ny fanatanterahana haingana ny fametrahana ara-niomerika ny fahazoana ny “equivalences” izay andrasan’ny maro ary mitondra amin’ny fanafainganana ny fomba fiasa. Tsy azo hiodivirana intsony ny sehatra niomerika satria efa mirona amin’izany avokoa ny fifehezana ny angon-kevitra rehetra.

Tatiana A

Partager sur: