Fivapova : Hanao zaikabe any Toamasina

Nanatanteraka fihaonana ho fampahafantarana ny zaikabe andiany fahefatra ny fikambanan’ny vady polisy sy polisy vavy (Fivapova), omaly, teny Anosy. Nitarika izany ny filoham-boninahitra nasionaly, Rakotoarimanana Faniry, vadin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny filoha nasionaly, Randrianirina Tombosoa Malala Priscilla. Efa mipetrapetraka ny fanomanana ny zaikabe nasionaly ary mandray an-tanana izany ireo vaomiera rehetra eo anivon’ny kaomity mpanomana ny zaikabe hatao ny 30 jolay hatramin’ny 02 aogositra 2025 any Toamasina. Teny aina entina miatrika ny zaikaben’ ny Fivapova amin’ity taona ity ny hoe : «Viavy miray hina rô, iray vina e!». Hetsika maro no efa nataon’ny Fivapova hatramin’izay mba ho fitsinjovana ny maha olona : fampitomboana ny firaisankina, fampivoarana ireo mpikambana ary indrindra fanohanana ny asa maha polisy. Mandritra ny efatr’andro, maro ireo hetsika hotanterahina any Toamasina. Anisan’izany ny carnaval mialoha ny lanonam-panokafana, ny fifaninanana vakodrazana andraisan’ireo isam-paritra, ny fampisehoana ara-pilazantsara. Io rahateo no hampiavaka ity andiany fahefatra ity. Eo koa ny velakevitra momba ny fahasalamana ara-pananahana, fifaninanana ara-panatanjahantena, fifaninanana Miss, fivoriambe handraisan’ny rehetra anjara ary fitsangantsanganana sy fizarana nofon-kena mitam-pihavanana. Hisy koa, araka izany, ny Clinique mobile ahafahana manao fizaham-pahasalamana amin’io fotoana io. Any amin’ity zaikabe ity no ahafantarana ny toerana handray ny zaikabe andiany fahadimy afaka telo taona.

Jean Claude

Partager sur: