Nampahafantarina tao Antanimena, tamin’ity herinandro ity, ireo vondrona mpanabe ray aman-dreny miisa 23 avy eto Analamanga nahavita fiofanana. Tanjona ny hanentanana ireo ray aman-dreny mahakasika ny fanabeazana ny ankizy, ny fifandraisana sy fifampiresahana ao an-tokantrano. Eo koa ny tontolon’ny ankizy amin’ny ankapobeny hisorohana ny fandikan-dalàna ataon’izy ireo sy ny fiverimberenan’izany. Mpampiofana ny foibem-pitondrana misahana ny fampianarana malala-drafitra ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Hanome tolotra fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ny Fondation Akbaraly, anio, ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena. Manomboka amin’ny 8ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 4ora folakandro ny fotoana handraisana ireo vonona hotiliana eny an-toerana. Tsy misy fitiliana ao amin’ny Centre médical Kintana, anio, vokatr’izany. Ho fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny mponina ny hetsika.
Nanaraka mivantana ny fanomezana fiofanana manakaiky vahoaka sy mifanaraka amin’ny zava-misy eny an-toerana ho an’ny taranja fandrafetana vy (OM) ny LTP Belo Tsiribihina, faritra Menabe. Feno ny fepetra rehefa nanaraka lesona sy teknika fampiharana ny mpiofana izay voamarina amin’ny alalan’ny adina mitohy. Manampy ireo tanora hahazo fahaiza-manao mivaingana sy mahomby ary azo ampiharina avy hatrany amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana izany.




