Logo vaovaon’ny skoto : Voafidy ny sanganasan’ Andriatahina Sedera

Andriatahina Sedera, Malagasy, no sangany tamin’ny fifaninanana fandrafetana ny logo, mari-pamantarana vaovaon’ny skoto aty amin’ny ranomasimbe Indianina.
Ny volana marsa teo no natao ny antso ho an’ny skoto maneran-tany ho amin’ity fifaninanana ity. Nivoaka ny vokatra ka avy eto Madagasikara ny mendrika indrindra, tamin’ny alalan’Andriatahina Sedera. Nandray anjara tamin’izany ireo skoto an’aliny beazina, mpiandraikitra, mpilatsaka an-tsitrapo, eo anivon’ny skoto aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Ankoatra ny eto Madagasikara, teo ny avy ao amin’ny Nosy Comores, Maurice, Seychelles.
Anisan’ny fepetra notakina ny tsy maintsy ahitana ny mari-pamantarana ny skotisma maneran-tany. Loko miisa roa farafahakeliny ary loko dimy farafahabetsany no ampiasainy. Endrika niomerika no hamokarana ny sanganasa ary hentitra ny fepetra ara-teknika nofaritana.
Sanganasa an’aliny no voaray ary nahafeno tsara ny fepetra notakina sy naharesy lahatra ny mpitsara izany fifaninanana izany ny an’ny mpandresy.

Tatiana A

Partager sur: