TSELATRA

Taksiborosy iray niharan’ny firehetana tao Brieville, 2 km tsy hidirana an’i Morarano Chrome, omaly tamin’ny 11 ora. Nitrangana olana teknika tampoka io fiara io. Niezaka nifehy ny afo ireo nanatri-maso saingy potika tanteraka ilay fiara. Tsy nisy naratra na aina nafoy.
Niakatra fampanoavana omaly, ny pasitera iray nanaparitaka vaovao tsy voamarina teo anivon’ny tambajotran-tserasera momba ny raharaha fanapoizinana niseho teny Ambohimalaza. Voasokajy ho fanalam-baraka tsy nahitana porofo ny fanehoan-kevitra nataon’io Pasitera io ka antony hanenjehana azy.
Olona 15 Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, tao Ankirihiry Toamasina, ny talata 15 jolay teo. Mpivarotra rongony, mpidoroka sady mpanaparitaka karazan-drongony ao an-dRenivohitr’i Betsimisaraka avokoa ireto tratra ireto.

Partager sur: