Mitohy ny fitsidihana ny tokantrano ao amin’ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Ikongo hanadihadiana momba ny aretina tazo sy hitiliana ny tsy fanjarian-tsakafo. Mitondra ny vokatry ny fanadihadiana teny ifotony ny Corupi.
Kaominina dimy, Ikongo, Ambatofotsy, Ambinanitromby, Belemoka ary Maromiandra, ao amin’ny distrikan’Ikongo, no sahanin’ny Centre opérationnel de réponse à l’urgence paludique à Ikongo (Corupi). Asan’ ireo tomponandraikitra ao anatiny ny mitady sy mitily ireo trangan’aretina tazo sy ny olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any an-toerana ka horaisina an-tanana. Ao anatin’ny asa fitadiavana ireo tranga isan-tokantrano koa ny fanisana sy fijerena ireo fianakaviana manana lay sy ireo olona marefo. Fantarina amin’ny fitsidihana koa ny tokantrano manana karinem-pokontany. Mandritra ny fanadihadiana, manentana momba ny ady amin’ny aretina tazo sy ny fiarovana samihafa ny tomponandraikitra ary ny tokony hanatonana ny tobim-pahasalamana rehefa misy tranga tsy fahasalamana. Nandrisika ireo mpitsabo nentim-paharazana any an-toerana hanentana ny vahoaka hamonjy tobim-pahasalamana hiadiana amin’ny aretina tazo ny mpanadihady.
Tao anatin’ny roa andro, 328 ny fizaham-pahasalamana vita, 241 tamin’ireo nahitana fanaviana ka rehefa nanao fitiliana amin’ny Test de diagnostic rapide dia olona 164 no voan’ny tazo avokoa, araka ny tatitry ny Corupi.

Jerena ny tsy fanjarian-tsakafo
Nandritra io roa andro io ihany, ho an’ny fitiliana ny tsy fanjarian-tsakafo, 55 ny olon-dehibe nozahana raha 125 ny ankizy. Sivy tamin’ireo ankizy no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika antonony, raha valo hafa no voan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika lalina. Olon-dehibe iray koa no voatily fa tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika lalina. Nomena sakafo fanafody ireo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo, nahazo CVO koa ireo nizaha fahasalamana. Nisy fizarana ody kankana sy vitamine.
Ho an’ny fokontany efatra notsidihina tao amin’ny kaominina Ikongo, nandritra ny roa andro, 1 618 ny tokantrano nohadihadiana ka 143 ireo tsy nanana lay tao aminy.
Tao amin’ny fokontany sivy, amin’ny kaominina Ambatofotsy, 2 920 ny isan’ny tokantrano voatsidika, 411 tsy manana lay.
Hitohy ny fizarana sakafo ho an’ny mponina ao amin’ny kaominina Ikongo sy Belemoka, ho an’ny andro manaraka. Taorian’ny fanadihadiana natao, homena lay ireo tokantrano rehetra tsy mbola manana sy ireo marary rehetra any amin’ny hopitaly. Hitsidika ireo tokantrano any amin’ny fokontany hafa tsy mbola tratra ny mpanadihady.
“Kaominina saro-dalana sy mitokana i Belemoka ka sarotra ny fitaterana ireo sakafo ho an’ny vahoaka mila izany. Ilaina ny fampiasana angidimby na drônes hanamorana ny asa fitsinjarana ny fitaovana sy sakafo”, hoy ireo mpisehatra eny ifotony.
Mangataka ny hanomezana masomboly ho an’ny vary, tsaramaso, voanjo sy legioma koa ny mponina hanampy ny sakafo zaraina.
Andrarahana odimoka ny tokantrano rehetra
Ho an’ny fokontany Ambatofotsy Tanàna, nanamafy ny ezaka amin’ny ady amin’ny tazomoka, indrindra amin’ireo faritra mafana tandindomin-doza, ny tomponandraikitra. Misy ny fanofanana ireo miaramila misalahy manatanteraka ny asa famafazana ranom-panafody mamono moka na ny “asperision intra-domiciliaire”.
Tanjona ny fifanomezan-tanan’ny tomponandraikitra ara-panjakana rehetra nizara, nanome fahaiza-manao sy teknika ilaina entina miady amin’ny aretina tazomoka, indrindra amin’ny fomba mahomby sy manaraka fenitra ara-pahasalamana. Ao anatin’ny fanatanterahana ny famendrahana fanafody tanteraka ireo miaramila voaofana, izay mitety ireo tanàna sy fokontany.
Anisan’ny paikady napetraky ny minisiteran’ny Fahasalaman-bahoaka, miaraka amin’ireo rantsa-mangaika rehetra mandrafitra ny Corupi, ho fiarovana ny vahoaka amin’ny aretina tazo izany, indrindra ho fisorohana ny fihanaky ny moka.
Ahitana mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana, minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, mpiasan’ny minisitera aty amin’ny faritra Fitovinany ary ireo mpilatsaka an-tsitrapo sy ny skoto ny Corupi. Eo ihany koa ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, ny minisiteran’ny Fampianarana, minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny Préfet an’i Manakara sy ny lehiben’ny distrikan’Ikongo, ny zandarimariam-pirenena.
Nanatontosa : Vonjy




