Sary momba ny tontolo iainana : Nandray anjara ny CEG Andranomena

Nofaranana, omaly, ny tetikasa fifaninanana sary atao amin’ny sekolim-panjakana ka ny CEG Andranomena no na­natanterahana izany tamin’ity taona ity. Omen’ny fikambanana Maeva fampiofanana ireo mpianatry ny EPP sy CEG ka natomboka teny amin’ny EPP Ivato Village ny tetikasa ny taona 2024 ary nitohy teny amin’ny CEG Andranomena. Se­koly 35 ao anatin’ny Zap I (Cisco Antananarivo Renivohitra) no hisitraka ny tetikasa.
Dimy volana ny fampiofanana momba ny fako sy ny fikajiana ny tontolo iainana. Nampianarina hifehy ny fahaiza-miteny sy hizara ny fampiofanana amin’ny namany ireo mpianatra. Nanao sary amin’ny rindrina, ahitana ny dian-tanan’ny ankizy izy ireo ho marika fa masoivoho hiaro ny tontolo iainana. Nanome fitaovana hanangonana ny fako plastika ao amin’ny sekoly ny Société de tri, compactage et valorisation (STCV) nanorina ny fikambanana Maeva. “Afaka manary fako plastika ao koa ny mponina eo Andranomena”, hoy ny mpitantana ny STCV, Randriamanana Gaelle Pless. Mpanodina fako ho lasa fitaovana azo ampiasaina indray ny orinasa. “Tombony ho an’ny sekoly ny manana ankizy vanona hahay hikolo ny tontolo iainana”, hoy ny talen-tsekoly, Rakotobe.

Vonjy

Partager sur: