Taksiborosy tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Andavabiby, Ambatomirahavavy, omaly maraina tamin’ny 5 ora sy sasany. Nifanenjika tamin’ny fiara niray lalana taminy io fiara mpitatitra io, araka ny fanazavan’ny mpandeha. Safotra tsy nahatsiaro tena ny mpanampin’ny mpamily.
Notoloran’ny zandary « autocollant » mazava alina ireo sarety sy bisikileta mpivezivezy eny amin’ny kaominina Vontovorona, afakomaly. Hanampy amin’ny fisorohana ny loza an-dalambe sy hisarihana ireo mpampiasa lalana hitandrina hatrany io fihetsika nataon’ny zandary io.
Safotra tampoka teny an-dalana, navotan’ny polisy ny renim-pianakaviana iray mitaiza kely teny Ambodin’ Isotry, afakomaly. Nitarika ny tsy fahasalaman’io vehivavy io ny fihenan’ny tahan’ny siramamy tamin’ny vatany.
Naiditra am-ponja ireo olona fito voasaringotra tamin’ny vono olona nahafaty ny manamboninahitra iray sy ny vadiny, tao Vatomandry, afakomaly. Niray tsikombakomba sy namolavola ny paikady rehetra nanaovana io vonoan’olona io izy ireo.




