Tsy mahazaka onjam-piainana : Maro ireo lehilahy mamono tena ao Toamasina

Tao anatin’ny herinandro iray monja, teto Toamasina, trangam-pamonoan-tena roa no niseho ka lehilahy anatin’ny fahatanorana avokoa: ny iray maty raha avotra kosa ny faharoa noho ny fahitan’ny olona azy nitsoraka tao anaty ranomasina.

Sendra teny an-toerana ny tovolahy iray mahay milomano tsara ka nitsoraka nanavotra azy. Nikasa hamonono tena izy raha nohadihadiana. Vokatry ny fisakanana raiamandreny hitia zazavavy iray tiany no fototry ny olany.
Maty tsy tradrano kosa ilay trangana famonoan-tena faharoa tao Ambohijafy, ny faha 8 jolay lasa teo. Nalefany niala sasatra any amin’ny Nosy Ste Marie ny sakaizany fa notazominy kosa ny fanalahidin’ny trano. Nametraka taratasy efa telo pejy ny tenany misy ny hafatra sy antony hanapahany hevitra amin’izao famonoan-tena izao ary koa mba tsy hampidirana ny sakaizany sy rafozany izay mifanolobodirindrina amin’ny trano hanatanterahany ny famonoan-tena. Hita tao koa ny hafatra ho an’ ireo zanany miisa enina telo reny, hita tao koa ny fialantsininy amin’ireo namany efa nampindram-bola azy hamahana ny olany kanefa tsy nahavaha azy izany, raha tsy ilaza afa-tsy ireo aloha. Raha iverenana, hita faty nananton-tena tao an-tranon’ny sakaizany ao Ambohinjafy i Sakoly, 49 taona, ny talata 8 jolay, tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro. Natao ny famonjena rehetra saingy efa tsy misy aina izy ary nentina tany amin’ny tokantrano misy ny vady aman-janany ao Ambolo­madinika. Resaka trosa sy fivadiham-pitokisana nataon’ny namany taminy no antony, ity namany ity izay nomeny ny tombombarotra azony tamina mpandraharaha iray mpanafatra entana avy any ivelany, entam-barotra amina kaontenera maromaro nomen’ny namany “transitaire” hafa hiantoka ny famoahana ireo entana ireo ary hatramin’ ny fahatongavan’izany hatrany Antananarivo. Akory nefa ny hagagan’ity raim-pianakaviana mpandraharaha ity fa ny entana tsy tonga amin’ny tompony, ny vola tsy niverina nomena ilay namana hikirakirana ny entana, ny tompony mitaky aminy aiza ny entana, efa niezaka nivarotra fiara sy moto lehibe maromaro ary nindrana vola amin’ny namany izy hamerenana ny volan’ny tompon’ny entana manodidina ny 9 miliara Ar.

Sajo

Partager sur: