Ady amin’ny fampiasana ankizy: Mitaky ny fiaraha- mientan’ny rehetra

Notanterahina tany Antsiranana ny fanamarihana ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny fampiasana ankizy, ny faran’ny herinandro teo. “Ady iombonana ny fampiasana ankizy ka mitaky fiaraha-mientana, firaisankina ary fiaraha-miasa avy amin’ny mpisehatra rehetra”, hoy ny minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampananan’asa, Razakaboana Hanitra.
Nosafidiana ny faritra avaratry ny Nosy netina nankalazana izany noho iny faritra iny ahitana ny sehatrasa rehetra ilomanosan’ny ankizy, toy ny sehatry ny fizahantany, ny fambolena, ny jono, sns. Hohainoana manokana ny ankizy mandritra ity fankalazana ity amin’ny alalan’ny fandraisam-pitenenan’ny Antenimieran’izy ireo.
Maro ny ezaka vita mahakasika ny ady amin’ny fampiasana ankizy eto Madagasikara. Anisan’izany ny fanekena ny fanafoanana ny fampiasana ankizy tany amin’ny taona 2000.
Taorian’io dia nisesy ny fankatoavana ireo fifanarahana iraisam-pirenena miaro ny ankizy.

Tatiana A

Partager sur: