Tokony homena andraikitra bebe kokoa ireo mpanomana fanambadiana, toy ny mpitandrina, amin’ny fiofanana ho an’ireo mikasa hiroso. Hanampy ny olon-droa amin’ny fiomanana mialoha ny boky novokarin’ny VFL ao amin’ny FJKM Ambondrona Firaisana.
Nampahafantarina teny amin’ny FJKM Ambondrona Firaisana, ny faran’ny herinandro teo, ny boky novokarin’ny Sampana Vondrona fototra laika (VFL) ho an’ny olon-droa maniry ny hiroso amin’ny fanambadiana. “Fanomanana sy fiainana ny fanambadiana kristianina” ny lohatenin’ny boky, voarakitra anaty pejy 96. “Fahatsapana fa manana andraikitra ny VFL, izay mampianatra kabary maimaimpoana, fa koa te hanasongadina ny soatoavina malagasy tsy miala amin’ny maha kristianina no nanosika ny sampana hanoratra ny boky”, hoy ny filohan’ny VFL, Randriamananjara Tovo.
Hita ao anatin’ny boky ny fanombanana ny loharano. Efa misy fiomanana amin’izay efa niainana rehetra eo amin’ny lafiny kolontsaina, lafiny fanomanana nataon’ny ray aman-dreny kristianina. Ao koa ny dingana atao rehefa maniry ny hanorina tokantrano raha tsy mbola tonga amin’ny fanaterana vodiondry sy ny fisoratana ary ny fanamasinana. “Mampiavaka ny boky ny famaritana ny andraikitra isaky ny dingana sy ny olona apetraka hanatanteraka izany raha tiana hotanteraka antsakany sy andavany”, hoy ny olona iray amin’ny efatra mpanoratra ny boky, Ratsima Ramonjy Andriamiasarivo Marcel.
Lohahevitra tsy mbola hita amin’ny boky efa nivoaka nefa voaboasana ao koa ny fiainana ny tokantrano kristianina. Mandalo lasitra vaovao ireo hivady amin’ny taona voalohany sy mamakivaky ny taona rehetra. Antitranterina ny fitiavana araka ny baiboly sy ny andraikitra amin’ny taranaka ary ny tokantrano kristianina, araka ny torolalan’ny FJKM. Ilana manana soritrasam-piainana rahateo ny tokantrano vao miorina ka ezahina ny manatratra izany ho an’ny mpivady sy ny zanany eo amin’ny finoana, fanabeazana. Hanaovana tomban’ezaka isan-taona hoe niroso ve ilay tokantrano. Amidy eny amin’ny trano fivarotam-boky kristianina telo ny boky ho an’ireo maniry ny hahazo ny torolalana.
Vonjy




