INDRAY MIJERY

Efa mandeha ny famendrahana ranom-panafody mamono moka, isan-tokantrano, any amin’ny distrika Ikongo. Taorian’ny fampiofanana nomena ireo miaramila sy zatovolahy nanolo-tena hanao ny asa dia natomboka tamin’ny fanentanana mihodidina ny tanàna izany ho fahampahafantarana ny vahoaka. Haharitra herinandro ity asa ity raha ho an’ny ao amin’ny kaominina Ikongo manokana, ary tsy misy ho dinganina na tranon’olon-tsotra na biraom-panjakana, hatreny an-tsena sy ireo faritra heverina fa tena tian’ireo moka ireo iafenana.

Anjaran’ny Boriborintany voalohany ny nisitraka ny hetsika fampahafantarana momba ny famarinana olombelona. Lehiben’ny fokontany miisa 37 avy ao amin’izany distrika izany no nisitraka fiofanana. Naneho fahavononana handray anjara amin’ny fisorohana araka izay tandrify azy ireo lehiben’ny fokontany nanatrika, ho fiarovana ireo vahoaka mpiara-belona iandreketan’izy ireo.

Ny tsiokan’ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro, amin’ny ankapobeny, amin’ity herinandro ity, raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hisy fidinana ny maripana ambony indrindra amin’ny fisasahan’ny herinandro. Hiverina hiakatra miandalana kosa izany manomboka ny zoma. Mila mitandrina ireo mpampiasa lalana ary hanena ny hafainganam-pandeha rehefa ao anaty zavona.

Partager sur: