Mpanendaka sady mpamaky trano miisa fito lahy voasambotry ny zandrimaria ao amin’ny tobim-paritra Itaosy, omaly. Nanaovan’ireo olon-dratsy ireo ny asa ratsiny avokoa iny faritra iny toy ny tao Avaratsena sy hôpitaly, hatrany Antanivory.
Lehilahy nahatrarana vola sandoka naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana ny zoma 18 jolay teo. Nametraka fitoriana teny anivon’ny polisim-pirenena miasa ao Fianarantsoa ny vehivavy nosandohan’io lehilahy io. Nahatrarana vola sandoka 20 000 Ar miisa 18 teny amin’ilay mpanao ratsy.
Mpamaky trano telo lahy saron’ny polisy eo anivon’ny kaomisaria Ampasambazaha-Fianarantsoa, ny 15 jolay teo. Namaky trano, nifanena tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana. Nahatrarana entana halatra izy telo lahy ireo. Niara-notanana am-ponja taorian’ny fampanoavana.
Nitoroka ny namany niara-namaky fisokon’olona ny olon-dratsy tra-tehaky ny zandary teny Ambohijanaka, ny alakamisy 17 jolay teo. Tratra nangalatra fahitalavitra ilay voalohany, ny 9 jolay. Nitoroka ny namany izay niara-nangalatra akoho miisa 10 taminy izy. Aleo samy hizaka ny nataony, hoy ity farany.




