Tontosa omaly tolakandro, tao amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy, ny lanonam-pitsarana fandraisana ny fianianana amin’ny maha mpikaroka fandikan-dalàna ireo Commissaire de police sy Officier de police miisa 80 mianadahy avy amin’ny andiany Manampi. Marihina fa Commissaire de police ny 30, raha Officier de police kosa ny 50. Natao izao fianianana izao ho fanamarihana ny maha mpikaroka fandikan-dalàna azy ireo ary ho fanambarana ny fahafahany mandray izany andraikitra izany, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny fitsarana. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ity fotoam-pitsarana ity ny talen’ny fikarohana sy fiofanana mitohy eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur général de police Rasoamanjara Pierette Marie Françoise.
J.C




