Kaominina Belemoka (Ikongo) : Babena ny sakafo entina ho an’ny mponina

Tsy nisy ny aina nafoy vo­katry ny aretina tazo na ny tsy fanjarian-tsakafo teny anivon’ ny tobim-pahasalamana tamin’ ny kaominina telo: Ambato-fotsy, Ikongo, Maromiandra, niasan’ny mpisehatra nan­dritra ny herinandro lasa teo, araka ny tatitry ny Corupi. Ni­tombo ny isan’ny olona manatona ny tobim-pahasalamana raisina an-tanana ny fahasalamany vokatry ny fitsidihana isan-tokantrano nandresena lahatra azy ireo hijery mpitsabo rehefa tsy salama. Mitohy rahateo ny fitsidihana tokantrano hadihadiana momba ny aretina tazo sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Miezaka miala tsikelikely ny mpisehatra amin’ ny Corupi satria efa mipetraka ny lamina eny ifotony amin’ny fahasalamana ary mitohy ny fizarana ny tohana sakafo ho an’ny mponina.
Toerana saro-dalana ny kaominina Belemoka ka sarotra ny fitaterana ny sakafo an’ ny vahoaka. Baben’ny olona ny entana tao anatin’ny telo andro, ny herinandro lasa teo, araka ny tatitra. Ilaina ny mam­piasa angidimby hitondra ny sakafo sy ny entana ilaina. Mi­taraina koa ireo mpisehatra eny ifotony fa misy olana ny sakafo sy ny toeram-pandraisana ireo ekipa eny an-kianja izay miasa tsy tapaka.
Efa am-perinasa koa ny tomponandraikitry ny Pam amin’ny fanomanana ny fo­toana maitsoahitra ho avy sy ny fizarana tohana ara-bola, amin’ny alalan’ny finday, miaraka amin’ny Fonds d’interven­tion pour le développement (Fid).

Vonjy

Partager sur: