TPC Soarano-Ivandry : Andramana hitateran’olona amin’ny fihaonan’ny Sadc

Nanao tatitry ny asa vita mahakasika ny zotra an-tariby amin’ireo fiatoana N°2 izay mamaramparana ny asa ny avy ao amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao. Hiditra amin’ny fankatoavana ara-teknika io ampahany farany io ny teknisianina iarahana amin’ny cabinet Veristas. Tsy mbola nahazoana alalana hampidirana olona ireo fitaovana mampitohy an’i Soarano amin’Ivandry.
Vinavinaina ny hanaovana andrana fampidiran’olona amin’ ireo zotran-dalamby ireo mandritra ny fihaonamben’ny Sadc eto Antananarivo. Tanjona ny hanehoana amin’ireo vahiny ny fitaterana maoderina sy azo antoka mifandraika amin’ny tanàn-dehibe.
Nanamarika ny SRENVH fa tsy nampiasana ny herinaratry ny Jirama ny andrana rehetra natao. Nampiasaina koa ny angovonaratra mandeha amin’ny solika efa napetraka isaky ny gara. Efa apetraka ihany koa ny toby famokarana herina­ratra avy amin’ny masoandro eny Tsarasaotra sy ny zotra herinaratra manokana izay entina mamatsy ny TPC. Hapetraka ny lamina manokana entina mampihodina ny TPC zotra orange mandra-pahavitan’izany, araka ny fanazavana hatrany.

Tatiana A

Partager sur: