Hampiroborobo ny fahasalamana: Hiara-hiasa ny Remapsen sy ny fikambanana Galien Africa

Nanao sonia fiaraha-mi­asa ny Réseau des médias africains pour la promotion de la santé et de l’environnement (Remapsen) sy ny fikambanana Galien Africa, tany Dakar, ny herinandro lasa teo. «Ha­haritra roa taona ny fifanarahana ka tanjona ny hampiroboroboana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana amin’ny asa vokarin’ny mpanao gazety afrikanina amin’ny sehatra misy azy avy», hoy ny filohan’ ny Remapsen, Bamba Youssouf. Nanamafy kosa ny filohan’ny fikambanana Galien Africa, Pr Awa Marie CollSeck, fa vonona hatrany hanohana ireo sa­hanasa karakarain’ny Remap­sen ka anisan’izany ny Rendez- vous du Remapsen volavo­lain’ny firenena afrikanina re­hetra mpikambana. Manana rantsana eto Madagasikara ny Remapsen nanomboka ny taona 2021, ary manana mpanao gazety mpikambana ma­nodidina ny 40 eo ho eo ma­nerana ny Nosy.
Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa nosoniavina ny fandraisana anjaran’ireo mpanao gazety mivondrona amin’ny Remapsen amin’ny Forum et du Prix Galien Afrique hatao any Dakar, ny 28 ka hatramin’ny 31 oktobra. Izy ireo no hanaparitaka ny vaovao mom­ba ity hetsika ity, izay aompana amin’ny maha zava-dehibe ny fifehezan’i Afrika ny fahasalaman’ny mponina ao aminy fa tsy hiankina amin’ny mpamatsy vola ivelany hatrany.

Vonjy

Partager sur: