Mpiasan’ny fahasalamana: Handraisana fepetra ireo manao toetra mamohehitra

Tena mampitaraina ny maro ny toetra ratsin’ireo mpiasan’ny fahasalamana, ny dokotera hatramin’ny mpamafa trano. Handraisana fepetra hentitra ireo hahazoana fitarainana manomboka izao.

Hentitra ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamanantany Zely, nanao fanambarana maika omaly, mahakasika ny fitsipi-pitondran-tenan’ireo mpiasan’ny fahasalamana, dokotera, mpitsabo mpanampy, rasazy, infirmiera, mpiasa birao.
Mandoto ny mpiasa ao amin’ny fianakaviamben’ny mpiasan’ny fahasalamana ma­nontolo ny fihetsika tsy mendrika ataon’ny sasany.
Handraisana fepetra haingana ireo minia tsy manaraka ny hitsin’ny fitondran-tena amin’ireo marary na mpikarakara marary. Ny minisitra mi­hitsy no handray ny fepetra raha eny anivon’ny foiben’ny minisitera no hitrangan’izany fihetsika mamohehitra izany. Manome baiko ny any amin’ny faritra ihany koa ny minisitra tsy hisalasala handray andraikitra raha misy tranga toy izany, manoloana ny fandraisana marary sy ny fikarakarana eny amin’ny tobim-pahasalamana, hopitaly…
Tokony hanana ftsipi-pitondran-tena mendrika izany mpi­asan’ny fahasalamana izany.

Mitaraina
Marobe ny fitarainana mi­ainga eny amin’ny CSB hatreny amin’ny hopitaly lehibe amin’ny hafitsok’ireo tsy ma­hatandrin-tena. Tena manao toetra tsy zakan’ny marary na ny mpiandry marary izy ireny. Noporofoin’ny mana-manjo teny amin’ny HJRA farany teo izany.
Tokony hahatsapa ny za­vatra iainan’ny olona ny mpiasan’ny fahasalamana ary to­ko­ny hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ilay olona tsaboina. To­kony halemy fanahy ma­nolo­ana ny olona marary mila fikarakarana izy ireo satria olona mitady vonjy no tonga any.
Misy ireo mpiasan’ny fahasalamana manivaiva ny fahasahiranan’ny olona izay tena tsy azo ekena. Na mafy aza ny asa, tsy natao hikitakita sy handrahona na hasiaka amin’ ny marary sy ny mpiandry marary ny dokotera na infirmiera na rasazy.
Miandrandra fiovam-pihe­tsika amin’ireo mpiasan’ny fa­hasalamana manomboka izao ireo mila raharaha eny anivon’ny toeram-pitsaboana.

Tatiana A

 

Partager sur: