Nampahafantatra ny tetikasa Afrifoodlinks ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Misy ny tetikasa Zaridaina an-tsekoly ho an’ireo mpisehatra amin’ny fambolena an-tanàn-dehibe sy ireo hanao sakafo ara-pahasalamana ary ny asa fampandrosoana eny amin’ny fiarahamonina.
Tanjona ny hampiroborobo ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, amin’ny alalan’ny zaridaina atao eny anivon’ny sekoly ho an’ireo sekolim-panjakana manana tokotany malalaka na manana ny teknikam-pambolena anaty gony…Misokatra ho an’ny rehetra, olon-tsotra na vondron’olona na fikambanana izay manana ny fahaiza-manao ny tetikasa.
Hatramin’ny faran’ny volana jolay izao ny fisoratana anarana ho an’ireo izay vonona. Maro ireo sekoly liana amin’ity tetikasa ity. Misy amin’izy ireo mahavita miantoka ny ampahan’ny legioma ho an’ny famahanana ny mpianatra ny vokatry ny fambolena eo an-tokotanin-tsekoly. Sady tohana ara-tsakafo no fampianarana tsikelikely ny ankizy ho liana amin’ny fambolena izany.
Tatiana A




