Atsimo Andrefana : Tohanana ny fitomboan’ny harinkarena

Efatra andro ny faharetan’ny dian’ny masoivoho amerikanina, Pierangelo Claire, tany Atsimo Andrefana. Nia­trika ny fikaonandoha ara-toekarena ho an’ny faritra sady nanohana ny fampiasam-bola amerikanina ihany koa ny tenany. Nihaona mivantana ary nanao angon-kevitra tamin’ireo fiarahamonina tao an-toerana izy. Nitafa taminy ny mpampianatra, manam-pahefana, mpitantana orinasa, mpianatra eny amin’ny oniversite.

Nohamafisin’ny masoivoho amerikanina fa tsy maintsy manaraka ny lalàna amerikanina sy ny lalàn’ny firenena mampiantrano azy avokoa ireo orinasa amerikanina rehetra eto Madagasikara. Anisan’izany ny Energy Fuel izay nividy ny tetikasa Base Toliara. Hentitra ny fanarahana ny fenitra amin’ny mangarahara sy ny fahitsiana na any Etazonia izany na any amin’ny firenen-kafa.
Mampifanakaiky an’i Ma­dagasikara amin’ireo fanararaotra rehetra ny fisian’ny fampiasam-bola amerikanina eto amintsika. Anisan’izany ireo fandaharanasa ara-panabeazana sy ireo fiofanana ary fifanakalozana maro efa nandraisan’ny terak’i Toliara anjara.

Naneho fahavononana amin’ny fitondrana fampandrosoana amin’ny alalan’ireo tetikasa iarahana amin’ny ame­rikanina ny tanora ao Toliara.
Nihaona tamin’ireo mpiara-miombon’antoka efa nisitraka ny fandaharanasa amerikana ihany koa ny masoivoho.

Tatiana A

Partager sur: