Niharan’ny fanolanana nataona mpivarotra rongony ny tovovavy iray 16 taona, zanaky ny raim-pianakaviana iray nirahiny hividy rongony, tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny fiandohan’ny volana jona teo.
Efa tsy nety nandeha ity tovovavy niharam-boina ity saingy noteren’io rainy io, noho izy te hifoka zava-mahadomelina. Tsy vitan’izay fa mbola tratran’ny fandrahonana ihany koa izy ka tsy maintsy nandeha noho ny tahotra. Tonga tao amin’ny toerana fividianana rongony tokoa, araka izany, ilay tovovavy. Rehefa azony anefa ilay zava-mahadomelina, nakaton’ilay mpivaro-drongony ny varavararana tokony hivoahany sady norahonany. Vokany, nanamparan’ilay jiolahy ny filan-dratsiny tao ilay tovovavy. Tsy afa-nanohitra rahateo izy noho ny tahotra. Ranomaso no nentin’ilay tovovavy namonjy fodiana niaraka tamin’ ny rongonin-drainy. Niezaka nitantara ny zava-nanjo azy tamin-drainy izy nony tonga tao an-trano. Nilaza ity rainy fa hoe hifampiresaka amin’ilay jiolahy mpivarotra rongony. Narary mafy sady nivoaka fofona maimbo ilay niharam-boina andro vitsivitsy taorian’ ny zava-niseho taminy. Nanontany azy ny renikeliny ka nivoaka teo ny marina rehetra. Nentina namonjy hopitaly izy natao fitiliana. Voaporofo fa simba tanteraka ny taovany noho ny fanolanana nahazo azy. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy misahana ny fikarohana heloka bevava io reniny io. Voasambotra ilay mpanolana taorian’izay. Nosamborina ihany koa ilay rainy nampaniraka azy hividy rongony. Taorian’ny famotorana nataon’ny polisy, natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja ao Ambalatavoahangy izy roa lahy.
Sajo




