Nanararaotra jiro tapaka, moto 125 cc lasan’ny jiolahy tao amin’ny tokantrano iray teny Amboditsiry, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 23 jolay teo. Nopitsohin’ireo tsy valahara ny hidin’ny vavahady.
Mpangalatra voasambotra taorian’ny nahitana azy tao anatin’ny horonantsary, teny Soamanandrariny, omaly. Nobatain’io lehilahy io ny bitro lehibe an’olona saingy tsy nahatsikaritra izy fa nisy « caméra » teo an-tokotany. Noraisim-potsiny ity farany.
Lehilahy nandroba tao amin’ny trano fisotroana iray tao Carreau II, Toamasina, voasambotry ny zandary, afakomaly. Voarakitra tao anaty horonan-tsary io olon-dratsy io. Tratra teny aminy ny entana nangalariny.
Nitohy omaly, teny amin’ny fitsarana Anosy, nanoloana ireo mpitsara mpanao famotorana ny fihainoana ireo fianakavian’ny maty momba ny fanapoizinana teny Ambohimalaza. Tafakatra 19 ireo efa nivoaka ny hopitaly soa aman-tsara.




