INDRAY MIJERY

Niara-nientana tamin’ny fanatsarana sy fanadiovana ny tanàna manodidina an’Antananarivo ny sampandraharaham-panjakana sy ny minisitera isan-tsokajiny. Hetsika ao anatin’ny fanomanana ny fihaonambe faha-45 an’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny Governemanta ao amin’ny vondrona Sadc ny O3 hatramin’ny 18 aogositra 2025, eto Antananarivo, izany.

Natao tao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ny fampahafantarana ny Taxi-Owayzz. Mba hahafahan’ireo mpandeha iraisam-pirenena eny Ivato misafidy sy mamandrika taxi ara-dalàna mialoha, amin’ny vidiny mazava sy amin’ny alalan’ny fandoavam-bola niomerika azo antoka, io « Application » vaovao anaty finday io.

Nahazo fanampiana manokana avy amin’ny fitondram-panjakana ireo mpivarotra manodidina ny 2 000 tao amin’ny tsenan’i Sabotsy taorian’ny firehetana nitranga. Nizarana vary 31 taonina , voamaina , savony, siramamy ary paty izy ireo ho fanampiana ireo may tsena. Santatra ambavarano ihany io, hoy ny governemanta, fa mbola ho avy ny sisa.

Partager sur: