Momba ny fanomanana ny taom-pianarana vaovao, nampahatsiahy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa misy ny fepetra ho an’ireo fianakaviana marefo tena sahirana mangataka hiditra na hiverina hiditra ao amin’ireo toeram-pampianarana miankina amin’ny fanjakana. “Tsy itakina fandraisana anjara ireo ray aman-dreny marefo ary miankina amin’ny fetran’ny fahafaha-mandrain’ireo toeram-pampianarana ny isan’ny ankizy azo raisina”, hoy ny tale jeneraly misahana ny pedagojia ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Raoniherijaona Andriamiakatsilavo. Mila manoratra ny anaran’ireo mpianatra anaty lisitra kosa ny lehiben’ny toeram-pampianarana. Ny lisitra dia ataon’ny kaomity, ahitana ny lehiben’ny fokontany, ny lehiben’ny toeram-pampianarana sy ny filohan’ny Feffi eo anivon’ilay toeram-pampianarana ary misy ny fomba arahana. Manoratra mialoha ny anaran’ireo zanany eo anivon’ny fokontany sy ny kaomity voalaza ny ray aman-drenin’ireo mpianatra tena sahirana. Ny kaomity no manana fahefana hankato ny dingam-paharefoan’ireo mpangataka ary mamarana ny lisitra farany. Omen-danja manokana ireo mpianatra ao amin’ny fianakaviana marefo efa mianatra ka ny lehiben’ny toeram-pampianarana no manaiky ny fisoratana anaran’ireo rehetra izay hita ao anaty lisitra. Ireo Cisco sy ny Dren no mandrindra ireo fihoaran-kisa sy ny tsy fahampian-kisa ary koa ny fitsinjarana tsy mitanila, hoy ny fanamarihan’ity tomponandraikitra ity.
Vonjy




