TSELATRA

Roa vavy mpangarom-paosy voasambotry ny fokonolona teny Analakely, Boriborintany voalohany, omaly. Nasaina namerimberina tamin’ny feo avo “Tsy hangarom-paosy intsony izahay”, izy roa vavy.
Taksiborosy levon’ny afo tao Brickaville, ny alin’ny alarobia 23 jolay teo. Hanatanteraka ny diany voalohany hampitohy an’Antananarivo sy Toamasina io fiara io kinanjo tratry ny olana teknika tampoka. Kila tsy nisy noraisina intsony ilay fiara. Tafavoaka ny mpandeha.

Partager sur: