Manomana ny andiany faharoa amin’ny Foarabe fampivoarana ny fiangonana advantista eto Antananarivo afovoany, ny 30 jolay hatramin’ny 3 aogositra izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Fampivoarana ny fari-piainan’ny samy kristianina manana asa aman-draharaha amin’ny sehatra samihafa no tanjon’ny hetsika, hoy ny filohan’ny fiangonana advantista eto Antananarivo, pasitora Andriamparatiana Fanera, omaly, teny Mahamasina. Hahatonga ny mpandray anjara hanana fiakarana amin’ny fahaiza-manao amin’ny varotra ho lasa matihanina no kendren’ny mpikarakara, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fitantanam-piainan’ny kristianina, pasitora Rakotoarijaona Mamy. 150 ny tranoheva hampiranty sy hivarotra ny vokatra amin’ny sehatra rehetra ankoatra ny toaka sy ny sigara: asa tanana sy taozavatra, fambolena sy fiompiana, harena an-kibon’ny tany. Afaka mandray anjara avokoa ireo mpino ao anatin’ny finoana advantista sy ireo ivelany rehefa tsy mivaona amin’ny Soratra Masina ny vokatra entiny ao.
Fifanampiana sy fifampizarana amin’ny lafiny rehetra no hita ao mandritra ny hefarana, satria tsy misokatra ny foarabe ny sabotsy 2 aogositra. Misy mpandray anjara avy any amin’ny faritra maro ho tonga eto Antananarivo hitondra ny vokatry ny fihariany. Antenaina hitondra fampandrosoana ho an’ny fiharian’ny tokantrano sy ny firenena ny hetsika. 10 000 isan’andro ny isan’ny mpitsidika nandritra ny andiany voalohany ka heverina fa hitombo izany ho an’ity andiany faharoa ity.
Vonjy




