Nanamafy ny fisafoana ny trano fonenana sy ny fanatsarana ny fitaovana fiarovana eny amin’ny faritry ny Oniversite Ankatso ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nanentana ihany koa ny mpianatra sy ny tomponandraikitra amin’ny fahasahiana mitoroka ireo olon-dratsy ho fitandroana ny filaminana izy ireo.
Maro ireo fampirantiana natao nadritra ny Foaraben’ny tsantsaha tao Ihosy ho fanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ary hanatsarana ny fandraharahana ao Ihorombe. Nanatrika sy nanome voninahitra ny hetsika ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa izay nanao fitsidihana ny faritra.
Notanterahina ny forazaza faobe tao amin’ny DRSP Melaky, kaominina Ambolidia Atsimo, ny 24 jolay lasa teo. Vita didimpoitra soa aman-tsara ireo zaza miisa 62 ary velom-pisaorana ny vahoaka noho ny fahasahiranana lehibe izay afaka teo amin’izy ireo ary maniry hatrany ny fidinana ifotony toy izao matetika.




