Ankoatra ny fandoavana ny haban-tseranana, manana andraikitra amin’ny fiarovana ny sisintany ihany koa ny ladoany. Nahatratra 14 ny fanagiazana biby arovana teto amintsika.
Natao teto Antananarivo, ny 23 sy ny 24 jolay teo, ny atrikasa famintinana ny tatitry ny Firaisankina afrikanina mahakasika ny ady atao amin’ny fanondranana antsokosoko, hetsika “Sama”, andiany faharoa. Tetikasa tohanan’ny Fikambanana iraisampirenena momba ny ady amin’ny rongony sy ny heloka bevava (Onudc), ny Vondrona eoropeana (UE), ny firenena frantsay ary ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fadintseranana (OMD). Miisa 35 ny firenena afrikanina miara-misalahy ao anatin’ny “Sama”.
Miisa 104 ny fanagiazana natao tao amin’ny firenena 19, ka biby arovana ny 69% tamin’ireo biby tratra. Toy ny elefanta, ny « pangolin », ny sokatra, sns. Ho an’i Madagasikara, miisa 14 ny fanagiazana natao, ka anisan’izany ny fahatratrarana sokatra izay tsy hita afa-tsy eto amintsika, efa tena atahorana ho lany tamingana.
Antony telo lehibe no nahazoana ireo vokatra voatanisa rehetra ireo. Voalohany, noho ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny firenena afrikanina. Faharoa, ny fifanakalozam-baovao teo amin’ny sampandraharaham-pitsikilovana sy ny Fadintseranana. Fahatelo, ny fomba fanao matihanina sy mazava. Satria, noho ny fampitam-baovao ny 44%. Tamin’ny alalan’ny fanaraha-maso mahazatra andavanandro ny 33%. Tamin’ny alalan’ ny famantarana mialoha sy fiahiahiana ny 14%. Ary noho ny fisavana tampoka atao amin’ ny entana samihafa ny 9%.
Hanomboka amin’ny 1 janoary 2026 ny dingana fahatelo amin’ny hesika “Sama”, ny ady atao amin’ny biby arovana aty Afrika.
Tsiahivina, fa anisan’ny biby arovana tratra tany Thailandy ny sokatra maherin’ny 900 sy varika miisa 37, sisa velona. Efa tafaverina eto Madagasikara izy ireo ny desambra 2024 teo. Tsy mbola foana ny tambajotra mpanao trafika, na efa maro aza ny olona tratra manao azy.
Njaka Andriantefiarinesy




