INDRAY MIJERY

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika «Fijery hafa» tao Isandra. Hampiroborobo ny fahaiza-manao sy ny fiofanana ho an’ny mponina izany. Nanome voninahitra ny hetsika ny solontenan’ny governora ary naneho fanohanana feno ireo solontenam-panjakana sy ireo manam-pahefana ary ireo vahoaka nanatrika izany.

Natolotra ho an’ireo tanora ao Anjahana ny kianja manara-penitra ny faran’ny herinandro teo. Manana velaran-tany 40 000 ha ity koaminina ity, izay toerana afaka hambolena ary antenaina ho isan’ireo mpamatsy vary ho an’ny faritra manontolo. Atao laharam-pahamehana, araka izany, ny fanaovana ireo lakandrano sy ny manondraka ireo tanimboly mba hanatsarana ny famokarana.

Nitsidika ireo trano handraisana ireo vahiny maherin’ny 300 isa ho avy eto Antananarivo mandritra ny fihaonana an-tampon’ ny Sadc ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana niaraka tamin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ireo delegasion’ny Sadc. Mitohy ny fitsirihana ataon’ny «controleur» amin’ ireo toeram-pandraisam-bahiny sy ireo toerana rehetra hanatanterahana ny hetsika.

Partager sur: