Mafanafana indray ny toe-draharaha eny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra ao anatin’ny onivesiten’Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka ny zoma lasa teo no nanao hetsika ny mpianatra eny Ankatso II, izay vokatry ny fahatapahan’ny jiro sy ny famatsiana rano lavareny ka manelingelina ny fizotry ny fiainan’izy ireo amin’ny andavanandro. Miankina betsaka amin’ny jiro sy ny rano ny zavatra rehetra indrindra ny sakafo nefa tapaka matetika izy roa ireo. Nandrehitra kodiarana ireo mpianatra ny zoma lasa teo ka notondrahan’ny mpitandro filaminana vitsivitsy rano. Rehefa nivory ny mpianatra taorian’izay dia niverina nivoaka teny an-dalana indray nanohy ny fitakiana tamin’ny tora-bato, namaly tamin’ny lacrymogène ny mpitandro filaminana ary tsy nitsahatra izany raha tsy ny alina.
Nitohy ny sabotsy ny hetsika ary fiarabe roa feno mpitandro filaminana no tonga teny Ankatso II. Efa niantrana koa ny mpianatra izay efa nanamafy fa tsy hihemotra mihitsy satria lavareny ny fahatapahana. Nisy tomponandraikitra tonga niresaka tamin’ireo mpianatra fa tsy nilamina ny toe-draharaha. Miverina mandeha vetivety ny jiro ary misy ny famatsiana rano rehefa misy fitakiana tahaka izao fa tsy maharitra ka tsy hilefitra intsony izahay, hoy ny solontenan’ny mpianatra nanazava ny zava-misy.
Vahaolana maharitra no ilaina momba ny famatsiana jiro sy ny rano fa tsy vonjitavanandro fotsiny.
Vonjy




