Fahatapahan-jiro sy rano. Nitokona sy nidina an-dalambe ireo mpianatra mipetraka eny amin’ny Cité Ankatso II, afakomaly maraina. Nandoro kodiarana sy nanao ny sakan-dalàna izy ireo. Nanome 48 ora ny tomponandraikitra mba hamahana ny olana. Hahery vaika ny fitokonana raha tsy voavaha ny olana.
Lehilahy iray manodidina ny 45 taona naratra mafy voadonan’ny fiara sprinter iray teny Andrangaranga Arivonimamo II, afakomaly atoandro. Tapaka ny tongotr’ilay niharan-doza. Nandositra ilay fiara.
Ramatoa 69 taona kilan’ny afo tao an-tranony nandritra ny fahamaizana niseho tao amin’ny fokontany Andrafiamivory, kaominina Anketrakabe, faritra Diana, afakomaly maraina. Niezaka nanavotra azy ireo manodidina saingy tsy tana ny ain’io lasibatra io.




