Trano 241 tafo no indray narodana tao amin’ny fokontany Tapakala, kaominina ambanivohitr’ Amboditandrohoroho, distrikan’ i Toamasina II, omaly. Vokany, maro ireo tsy manan-kialofana. Ankoatra izay, tokony tsy noradana ny moske, trano fivavahana ho an’ny mpino Silamo, fa narodana daholo. Nambaran’ ny fanadihadiana fa nahazoana fahazahoan-dalana teo anivon’ny kaominina ny fananganana ilay moske. Nohamafisin’izy ireo fa tsy nisy ny fampilazana mialoha momba izao fandravana izao. « Tsy manan-kialofana izahay”, hoy ny tarainan’ny fokonolona tsy maintsy handao ny toerany. Raha hiverenana, saika tokantrano efa nosedrain’ny herisetra na hetraketraka maro isan-karazany ireo fianakaviana lasa manorin-trano amin’ity toerana malalaka ao Tapakala ity. Ao ireo may trano sy fananana, ao ny voaendaka toy izao tamin’ny tokotaniny efa nipetrahana teo aloha tao an-drenivohitr’i Toamasina. Ankilany, tsiahivina fa efa nisy ny fanapahana navoakan’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana ny hampiatoana ny fanesorana sy fandravana trano tahaka izao.
Sajo




