Fananganana ny SLC: Nihaona ny ben’ny Tanàna sy ny sefo fokontany

Nihaona mivantana tamin’ireo sefo fokontany 192 manerana ny boriborintany enina ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, mialoha ny handrafetana ny rafitra ifotony ifanakalozana, SLC.
Tamin’izany no nilazany tamin’ireo mpivory fa ny fametrahana io rafitra io no hiaingan’ny fampandrosoana. Haverina ny fifanaraham-piaraha-miasa rehetra amin’ireo paompim-pokonolona sy ny toerana fanasan-damba.
Ireo sefo fokontany no tena mahafantatra ny zava-misy eny ifotony amin’ireo fotodrafitrasa mijoro eny an-toerana. Manao ny tatitra sy ny fanadihadiana tsotra amin’ny filan’ny olona amin’ireny toerana iombonana ireny.
Mila apetraka ny fahefan’ny fokontany ary mila atao tsapan’ny mponina fa manana mpitarika izy ireo, akaiky azy sy azony hiresahana. Hametrahana teknisianina hiara-miasa amin’ny lehiben’ny boriborintany isanisany ho fandrindrana ny tanàna sy ireo tetikasa. Andraikitry ny sefo fokontany koa ny manentana ny mponina ao aminy mba hadio sy hanaja ny lamina momba izany.

Tatiana A

Partager sur: