Tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny faran’ny herinandro teo, nanatrika ny hetsika « Fijery hafa » ao Isandra. Manamafy ny fanohanany ny politikam-panjakana mikendry ny fampivoarana ny maha olona, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny programa ho fanamafisana sy ho fanatsarana ny sehatry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa any an-toerana ny hetsika. Nandritra ny fitsidihana nataony tao amin’ny faritra Ihorombe, nisy ny lanonana fanolorana mari-piofanana ho an’ireo tanora nahavita fiofanana.
Hikorontana ny toetry ny andro an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsinanan’ny Nosy, noho ny alondrano vaventy avy any atsimo na atsimo andrefana. Tombanana ho 4m ny haavon’ny onja indraindray manomboka eo Morombe hatrany Taolagnaro. Nanomboka omaly, eo anelanelan’i Besalampy sy ny morontsirak’i Fitovinany. Niitatra any amin’ny morontsirak’i Vatovavy sy Atsinanana. Manomboka anio atoandro ny eo anelanelan’i Toamasina sy Antalaha.
Ho fanamafisana hatrany ny ady amin’ny tazomoka sy ny aretina hafa, niditra an-tsehatra ny kaominina Ikongo amin’ny fanatanterahana ny “aspersion intra-domiciliaire” manerana ireo fokontany sisa tsy voarakotra any an-toerana. Nisitraka fiofanana manokana ny mpanentana ara-pahasalamana, izay tafiditra amin’ny fanatanterahana ny tantsoroka amin’ny ekipan’ny SDSP Ikongo. Tanjona ny handrakofana tanteraka ireo fokontany, hahazoan’ny rehetra fiarovana.




