Fahombiazana raha ny fanombanana ny hetsika “Foara trano” natao tetsy Mahamasina, ny herinandro teo, niarahana tamin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana (SENVH), niahy ny hetsika.
Nambaran’ny sekreteram-panjakana, Andriamahazosoa Gérard, fa laharam-pahamehana ny fiarahana miasa amin’ny sehatra tsy miankina satria manampy sy mamorona ny fanomezana trano ho an’ny Malagasy izany. Fomba fanohanana ny orinasa malagasy miezaka hatrany amin’ny fampandrosoana ihany koa.
Tamin’izany koa no nanamafisana ny fanohizana ny tetikasa iarahana amin’ny Filoham-pirenena amin’ny ezaka fanomezana tany voajary hanorenana trano fonenana (Otoh) izay efa ahitana fotodrafitrasa, toy ny sekoly, hopitaly, jiro, lalana, rano…
Tetsy mahamasina nandritra ny hetsika no nahitana ireo karazana kojakoja fananganana trano. Nanomboka tamin’ny fomba hahazoana tany sahaza, ny fananganana fototra, vy, biriky, ny tafo, loko, carreaux, haingon-trano, fanaka… Teo ihany koa ny karazan-jiro sy ny fandravahana ny aty trano. Mpandraharaha 150 no niara-nitondra ny vokatra tamin’ny toerana iray.
Tatiana A




