Cercle Mess Fiadanana: Atrikasa fanavaozana ny sata mifehy ny miaramila

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Cercle Mess Fiadanana, ny 29 jolay 2025 teo, ny atrikasa mahakasika ny fanavaozana ny sata ankapobeny mifehy ny miaramila.

Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Sekre­­tera jeneralin’ny minisiteran’ny Foaloalindahy, ny amiraly Assany Bemarivo Jeannot, nisolo tena ny minisitry ny Foaloalindahy. Nam­baran’ity manamboninahitra ity fa maro ny tanjona kinendry amin’izao atrikasa izao. Ani­san’izany ny fanavaozana araka ny lalàna ny sata mifehy ny miaramila, ny fanamafisana ny fampiharana ny fitsipika, ny fanomezana antoka ny fandraisana an-tanana ny fivoarana ara-ekonomika, teknolojia ary politika ao anatin’ny sata mifehy ny miaramila. Eo koa ny fampivoarana izany hifandraika amin’ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fijerena ireo vehivavy miaramila eo anivon’ny Tafika ary indrindra ny fankatoavana ho ara-dalàna izany. Notsia­hivin’ny tale misahana ny Ra­ha­raha araka ny lalàna eo anivon’ny minisiteran’ny Folo­a­lindahy, Rakotobe Nivonirina Noferana, fa 29 taona lasa izay no nandaniana ny sata mifehy ny miaramila ankehitriny. Na teo aza ny fanitsiana izany natao teo aloha, tsapa fa maro ireo andininy mila fanavaozana izay tsy mifanaraka intsony amin’ny zava-misy ankehitriny. Izany rahateo no antony hanaovana izao atrikasa izao, araka ny fanazavany. Maro ireo mpandray anjara izay nahitana ny avy amin’ny minisitera, ny Etamazaoron’ ireo Tafika, ireo etamazaoro telo ary ireo rafitra manana andraikitra mivantana amin’izany sata mifehy ny miaramila izany. Marihina fa tamin’ny alalan’ny asam-baomiera no nanaovana ny atrikasa ka hamoahana tolo-kevitra.

J.C

Partager sur: