Notontosaina teny amin’ny fasan’ny Maherifo na Mausolée Avaratr’Ambohitsaina, omaly, ny fametrahana fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Praiminisitra ny Kly Joël Rakotomalala sy ireo mpiara-miasa aminy. Nanatanteraka ny fahatsiarovana teny an-toerana ny fianakavian’ny Kly Rakotomalala Joël niaraka tamin’ny sampandraharaha miahy ireo mpiady Tia Tanindrazana, notarihin’ny taleny, ny Jly Randrianantenaina Emilson, nisolo tena ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. Teo koa ny lehiben’ny garnison Antananarivo, ny Jly Rakotonindriana David Rolland. Tsiahivina fa ny 30 jolay 1976 no niondrana tamin’ny helikoptera « Alouette III », hihazo an’i Mandoto hanatanteraka fitsidihana, ny Praiminisitra Rakotomalala Joël sy ireo delegasionina notarihany. Nisy tsy fahatomombanana ny helikoptera ka nianjera tao Ankazomiriotra, maty avokoa ireo mpandeha rehetra tao anatiny.
J.C




