Sofia : Nisitraka asa soa marolafy ireo marefo

Marolafy ny asa sosialy tanterahin’ireo tomponandraikitra any amin’iny faritra iny miaraka amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy, Razafinjato Aurélie.
Nanao tolotra ho an’ireo zokiolona ary vatsy ho an’ireo tsy salama ny minisitra. Fehezan-karona sy bodofotsy ho an’ireo zokiolona sy olona manana fahasembanana miisa 220 tao Bealanana, 200 tao Antsohihy ary 200 tao Befandriana Avaratra no natolony tamin’izany. Nisy koa ny fampitaovana ho an’ireo olona manana fahasembanana. Notanterahina ny forazaza faobe sy ny fandidiana maimaimpoana niarahana tamin’ny profesora Tiandaza Dinaraly Odilon sy ny fikambanana Mahsofia ary ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nisitraka tohana koa ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’i Bealanana vokatry ny tantsoroka avy amin’ny Ciad.
Tafiditra ao anatin’ny vina fampandrosoana ny maha olona ny hetsika, izay politika ankapoben’ny fanjakana.
“Irariana ny hitohizan’ny firaisankinan’ireo olon-dehibe amin’ny fanampiana sy ny fanasoavana ny vahaka”, hoy ny minisitra.

Tatiana A

Partager sur: