INDRAY MIJERY

 Nanao hetsika marolafy ireo fiarahamonim-pirenena ho fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy afrikanina-taona 2025. Manatanteraka hetsika maro samihafa ihany koa ireo Fitalevam-paritry ny Mponina sy ny firaisan-kina miisa 23 ho fampahaleovan-tenan’ny vehivavy rehetra.
 Namarana ny «Mois des universités en dialogue», andiany voalohany, tao amin’ny Oniversiten’Anta­na­narivo ny minisitra Chaminah Loulla. Samy nandravona ireo lohahevitra nodinihina tany amin’ny Oniversite nisy azy avy ireo filohan’ny Oniversite sy solontenan’izy ireo.
 Nanolotra fitaovana, vatsy sy fanamiana ho an’ireo solontenan’ny MEFTP hiatrika ny lalao Asief any Mahajanga, ny 01 hatramin’ny 15 aogositra izao, ny minisitra Rasoloarisoa Marie Marcelline, ho fanampiana sy fankaherezana azy ireo. Nanome tsodrano sy firariantsoa azy ireo ihany koa izy.
Partager sur: