Hotanterahina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny 7 sy 8 aogositra izao, ny «Salon de la recherche au service de l’économie et de l’emploi» (SREE). Andiany fahafito ny hetsika, nampitondraina ny lohahevitra : “Ensemble pour la recherche au service de développement durable”. “Tanjona ny hampitana ny asa fikarohana mba hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana maharitra ho an’ny firenena”, hoy ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Profesora Rivoarison Randrianasolo, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika teny Ankatso, omaly. Itondrana vahaolana mivaingana sy azo tsapain-tanana mahakasika ireo voka-pikarohana ihany koa. Hampiavaka ny hetsika ny fampisehoana ny asa fikarohana manaraka ny toetrandro. “Efa mankany amin’ny tontolon’ny niomerika isika ary misy ny fenitra iraisam-pirenena takina ary ezahina haseho izany amin’ity taona ity”, hoy ihany izy. Natao laharam-pahamehana ny famolavolana toerana natokana ho an’ny orinasa sy ny Hackathon isan-taranja. Omena sehatra manokana mandritra ny hetsika ihany koa ny mpikaroka, ireo tanora manomana ny diplaoma Master sy Doctorat. Manodidina ny 70 ireo mpandray anjara. Misy ireo maneho ny voka-pikarohana fototra amin’ny endrika afisy ary azo hampiharina avy hatrany. Misy ny fifaninana tetikasa izay ho tsaraina. Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpiara-miombon’antoka maro samihafa, ahafahana manatanteraka ny hetsika. Anisan’izany, ny Ares, ny orange, ny Hunan Hybrid Rice Research Center sy ny maro hafa.
Mino




