TSELATRA

Nafindra eny amin’ny fonjan’i Manjakandriana i Fenohasina, tompom-pety, taorian’ny fiakarany fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy, afakomaly. Nijanona eny amin’ny fonjaben’Antanimora ihany ny reniny. Mitazona ny fitoriana azy ireo hatrany ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’olona 30 mahery nandritra ny fety teny Ambohimalaza ny fianakavian’ny maty.
Napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny mpitarika ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia, sy ireo olona voasambotra niaraka taminy. Hotanterahina ny 12 aogositra ho avy izao ny fotoam-pitsarana azy ireo. Marihina fa nanohitra ny tetikasa Base Toliara izy ireo, anton’ny fisamborana.
Voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny sampam-pikarohana ady heloka bevava, ny alarobia lasa teo ireo lehilahy roa voarohirohy amin’ny raharaha Boeing 777 miisa dimy. Rehefa namoahana fikarohana efa ela. Tratra tany Antsirabe ny iray raha toa ka tetsy Ampitatafika kosa ny iray hafa.

Partager sur: