Fifamoivoizana Andramasina: Harenin’ny mpitatitra ireo lalana tena ratsy

Maneho firaisankina, mifarimbona ny mpitatitra mampiasa ny zotra mampitohy an’Antananarivo amin’Ambatofotsy hatrany Andramasina iny manamboatra ny lalana hivezivezen’ny fiara.

Nanao fanentanana ireo mpitatitra ao amin’ireo kaoperativa mitrandraka iny zotra iny ny filohan’ny kaoperativa, Ravonjinarivo Thomas Richard, mba hahatanteraka ny asa fanamboaran-dalana.
Tsipaipaikan’ny mpitatitra, araka izany, no hanaovana ny asa. Izay vatan-dehilahy no mannao izany amin’ireo toerana iasana.
Ireo ampahan-dalana hita fa tena ratsy no asiana fanarenana haingana. Tanjona ny hahafahan’ny fiara madinika, handehanan’ireo mpilaravinahitra mody amin’izao fotoan’ny fialantsasatra izao.
Misy ny faniriana hanao pavé ny lalana izay hita fa tena ratsy. Efa maneho fahavononana amin’izany ireo mpitatitra hahafahana miasa tsara mitatitra ny olona sy ny vokatra mandritra ny fotoam-pahavaratra. Iantsoana ny malala-tanana sy ny zanaka am-pielezana ihany koa izany, hoy ny filohan’ny kaoperativa. Mano­didina ny 200 ny fiara fitaterana mivezivezy fa eo koa ireo mpitatitra vokatra.
Tamin’ity taona ity, efa inefatra izay no nisy tanamaro fanamboaran-dalana nifarimbonan’ny mpitatitra toy izao.
Etsy andaniny, maniry ny mponina ao amin’ny distrikan’­ Andramasina ny hitohizan’ny fanamboaran-dalana ataon’ny faritra Analamanga hiantsinanana hatrany amin’ny kaominina Ambohimiadana sy Alatsinainy Bakaro, Man­drosoa, Alarobia Vatosola, Sabotsy Manjakavahoaka.
Tsapa ny hatsaran’ny lalana miala eo Ambatofotsy hatrany Anempoka izay nampiasana ny fitaovana vaventin’ny faritra Analamanga. Misitraka ny hatsaran’ny lalana ny vahoaka ary maniry ny hiitaran’ny asa.
Raha vita tsara daholo ny fotodrafitrasa dia vita ora ira sy sasany ny lalana mankany Andramasina. Atao ao anatin’ny adin’ny efatra raha haingana indrindra nefa izao ny lalana Antananarivo mankany Ambohimiadana.

Tatiana A

Partager sur: