Ho an’ireo miala sasatra any Mahajanga, somary mafy ny fitsokan’ny rivotra ary tombanana hahatratra 55 Km/ora izany raha ny nambaran’ny Meteo. Ahina ny fahasarotan’ny fifamoivoizana an-dranomasina sy faharendrehana an-dranomasina ary ny fikorontanan’ny asa fihariana andavanandro.Voakasiky ny fampitandremana miloko mavo ny eo amin’ny Tanjona Bobaomby hatrany amin’ny tanjona Angotsy. Mahajanga hatrany Analalava.
Ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra tanteraka isika izao, mitombo ny fivezivezena eny amin’ny lalam-pirenena ho an’ireo mpiala sasatra ivelan’Antananarivo. Mila hamafisina ny fanaraha-maso ny ara-teknikan’ny fiara vao miainga. Tokony ho ara-dalàna avokoa ny antontan-taratasy rehetra na ho an’ny fiara na ho an’ny mpandeha. Ampakarina ihany koa ny fahamailoana eny an-dalana. Tsara raha mandeha amin’ny andro mazava.
Samy manao ezaka amin’ny fanadiovana ny tanàna ny antokondraharaha isan-tsokajiny hiatrehana ny fitsenana ireo vahiny handalo eto mandritra ny fivorian’ny Sadc. Manana anjara amin’izany ny tsirairay izay tomponandraikitra amin’ny fahadiovana ihany koa. Rehefa tsy mandoto dia efa naman’ny manadio ka ilaina ny fifanentanana.




