Hanomana fiaraha-mitendry, ka hiaraka tsiroaroa indray ireo mpifaninana. Hiova kely ny endriky ny « Prime 4 », ary hiroso amin’ny fanohanana ireo mpifaninana ihany koa izy efa-dahy mpitsara.
Henjana ny fifaninanana! Manan-talenta daholo ireo mpifaninana 25 nandray anjara tamin’ny « Prime 3 », tamin’ny fifaninanana « Tafan-gilita », izay notontosaina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Kianja maitso Analamahitsy. Nisafidy tamina lisitra hira maro ireo mpifaninana ka samy nanomana ny azy. Tsapa teo amin’ny fandraisana anjaran’ny tsirairay ny fanomanana miampy ny talenta ao anatiny. Saika niezaka nametraka ny fomba fitendriny avokoa, kanefa nanaja hatrany ny firafitry ny hira izy ireo. Misy ireo nisafidy ny hira vahiny. Misy kosa nirona tamin’ny hira malagasy. Ny nitovian’ny rehetra: samy naneno tsara ny gitara, nanaporofoana indray fa azo hilalaovana ny karazan-kira rehetra ity zavamameno ity.
«Tena efa samy henjana avokoa ireto mpifaninana ireto. Mahafinaritra sy mahavelombolo ny hoavin’ny tendry gitara satria tena mikaroka ireo”,hoy i Kolibera. Izy no vahiny nasaina manokana, tamin’iny «Prime 3» iny. Nitafatafa sy nanome soso-kevitra, no nandrisika ireo mpitendry hanohy hatrany ity andrarezin’ny tendry gasy ity. Nanolotra feon-kira iray, tamin’ny tendry gasy izay manavanana azy indrindra i Kolibera.
Tazana tao anatin’ireo mpijery nanatrika Ralanto… Teo no ho eo dia nantonin’ny mpikarakara izy, raha afaka manome torohevitra ho an’ireo mpifaninana. Tsy vitan’izay, fa nanolotra tamban-kira izay hahafantaran’ny maro azy ity mpanakanto ity, ho fifalian’ireo mpanotrona. «Isaorako manokana ny mi’Ritsoka mihitsy ny toa izao, ary enga anie hisy mandrakizay ka mba ny mozika an-gilita indray no hahazo vahana», hoy Ralanto, tamin-kafaliana.
Handeha tsiroaroa
Taorian’ny fitsarana, tapaka fa 16 indray no manohy ny dingana manaraka. Hotontosaina ny sabotsy 9 aogositra izao, eny amin’ny Kianja Analamaitso Analamahitsy ary hanomboka amin’ny 9 ora maraina ihany, ny « Prime 4 ». Satria efa mihamafy ny fifaninanana, hiova kely indray ny endriky ny « Prime 4 ». Nisy ny antsapaka natao, ka hiaraka tsiroaroa ireo mpifaninana, hitendry feon-kira iarahana. Hisy ihany koa ny tantsoroka hataon’ireo mpitsara, izay sady ho lasa «coach», ka handray ekipa roa avy i Mbola Talenta, Teddy, Tojo Guitariste ary i Jovin.
«Marina fa misy loka io amin’ny maha fifaninanana azy. Gilita anisan’ny mba lafo vidy ny Taylor sy ny Takamine. Omentsika lanja koa anefa ny gilita vita gasy izay tsy mena-mitaha amin’ireny vita vahiny ireny. Tsy dia ilay hoe hifaninanana loatra anefa fa ilay hoe mamerina ilay fitiavana ny gilita mihitsy no Zava-dehibe. Ho anay dia tsotra: aleo mba hitafa ny gilita e», hoy Randriamampianina Hery, tale jeneralin’ny mi’Ritsoka Production, mpikararaka.
Zo ny Aina




