Taorian’ny fionganan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, hotanterahina, anio, ny fifidianana izay handimby azy. Anarana misongadina ny depiote isany: Tsaradia Marco, Andrianjanahary Fanomezantsoa ary ny Dr Andriamiharivolamena Zavamanitra. Ity farany izay anisan’ny andrandrain’ny maro.
Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ny fifidianana izay hisolo an-dRandrianasoloniako Siteny, naongan’ny depiote namany omaly vao maraimbe. Hofidiana miaraka aminy koa ny mpikambana hafa niaraka niongana taminy.
Telo ny anarana miparitaka mety ho filohan’ny Antenimierampirenena dia i Tsaradia Marco, voafidy tany Ampanihy Andrefana, ny depioten’i Manandriana, Andrianjanahary Fanomezantsoa ary ny Dr Andriamiharivolamena Zavamanitra, voafidy tao Fandriana. Nanomboka omaly, hitohy hatramin’ny anio maraina, ny fandraisana ny anaran’izay ho kandidà. Tsy ankifidy vondrona na antoko fa miandry ny fanolorana anarana na filatsahana an-tsitrapo.
Mahakasika ny Dr Andriamiharivolamena Zavamanitra, avy amin’ny antoko Avi, dia anisan’ny tsara toerana ho amin’izany izy noho ny traikefa ananany amin’ny resaka lalàna. Manampahaizana manokana, mahafehy tsara ny andraikitra andrasan’ny Fanavaozana izy. Tsy anatin’ireo vondrona mahabe resaka ankehitriny izy. Maro amin’ny mpiara-miasa aminy no miandrandra ny fitantanany ity Andrimpanjakana ity. Ny angom-baovao natao teny Tsimbazaza, omaly, dia manamafy izay fanirian’ny solombavambahoaka izay. Efa samy mametrapetraka ny paikadiny ny ankolafin-kery misy.
Tsy marina
Anisan’ny nanamarika ny omaly, taorian’ny fionganan’ny mpikambana amin’ny birao maharitry ny antenimierampirenena ny filazana fa tao ambadik’izany ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël. Nitsipika izany ny fiadidiana ny Repoblika tamin’ny alalan’ireo tambajotran’ny mpiserasera miara-miasa aminy.
Fotoana rahateo izao hametrahana ny fanavaozana tena izy. Tsy etika politika ny fifaminganana hanoloana olona.
Randria





