Araka ny efa fantatra, tontosa omaly ny fifidianana ny filohan’ny Antenimierampirenena hisolo an-dRandrianasoloniaiko Siteny. Lany tamin’izany i Tsaradia Marco, depiote voafidy tao Ampanihy Andrefana sady filoha lefitr’ity Andrimpanjakana ity.
Ny depiote voafidy tamin’ ny anaran’ny tsy miankina tany Ampanihy Andrefana, Faritra Atsimo Andrefana, i Tsaradia Marco, no voafidy ho filohan’ny Antenimierampirenena, tamin’ny latsabato nataon’ireo depiote teny Tsimbazaza, omaly. 129 tamin’ny vato manankery no azony tamin’ny mpifidy 130, ka vato maty ny iray. Nivoaka tsy nandatsa-bato ny depiote Tim, Avi, pro-Siteny. Mpikamban’ny Vovonan’ny fihavaozan’i Madagasikara (VFM) ary filoha lefitry ny Antenimierampirenena misahana ny Faritanin’i Toliara izy izao voafidy ho filoha izao. Filohan’ny Vaomieran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola sady mpikamban’ny Vaomieran’ny fizahantany sy asa tanana ihany koa. Tsy nisy ny mpifaninana taminy tamin’ny fifidianana, fa kandidà tokana izy. Nifanarahana? Na teny nifampitana… Nanatsoaka ny firotsahany ireo kandidà efatra hafa tamin’ny fotoana farany. Na izany aza, nisy ny fandresen-dahatra vao nirosoana ny fifidianana.
Mbola andrasana kosa ny voka-pifidianana izay ho filoha lefitra misahana ny Faritanin’i Mahajanga. Toy izany ko any filoha lefitra misahana ny Faritan’Antsiranana. Eo ny kestora fahatelo, ary izay ho filohan’ny Vaomieran’ny tontolo iainana. Hanao ahoana ny hoavin’ny Antenimierampirenena amin’izao? Tsy mitsahatra, ohatra, ny fitakiana ny tokony handravana azy, raha ny fijerin’ny sasany. Tsy tongatonga ho azy izao fanovana ny mpikambana sasany eo anivon’ny birao mahartra izao. Misy antony politika lalina? Ny ho avy no hilaza izay… Misy mahita ka milaza fa tena mila fanovana na fanavaozana ny fomba fanavaona politika eto Madagasikara. Fotoana hararataona an’izany izao…
Randria





